πŸπŸ‘ π¬πžπ©π­πšπ¦π›π«πš πŸπŸŽπŸπŸ” | 𝐍𝐞𝐰 𝐘𝐨𝐫𝐀, π„π­πšπ³π¨π§π’πš πŸ‡ΊπŸ‡Έ
🀝 π…πˆπ‡π€πŽππ€ππ€ π“π„πŽ π€πŒπˆπβ€™ππ˜ π…πˆπ‹πŽπ‡π€πβ€™ππ˜ π…π€ππ€π•π€πŽπ™π€ππ€ π’π˜ 𝐍𝐘 π…πˆπ‹πŽπ‡π€πβ€™ππ˜ π•π€πŽπŒπˆπ„π‘π€πβ€™ππ˜ π•πŽππƒπ‘πŽππ€ π€π…π‘πˆπŠπ€ππˆππ€
Nandritra ny dian’ny Filohan’ny Fanavaozana, ny KΓ΄lΓ΄nely RANDRIANIRINA MichaΓ«l, tany New York, dia nihaona tamin’ny Filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona Afrikanina, Andriamatoa Mahmoud Ali Youssouf, tao amin’ny birao fiasany, niaraka tamin’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Ramatoa N’DIAYE Alice.
🎯 Nifantoka tamin’ny fandrosoan’ny Fanavaozana teto Madagasikara ny dinika, indrindra ireo dingana efa vita sy ireo ezaka mbola hotanterahina.
πŸ‡²πŸ‡¬ Naneho fahavononana hanohana ny fizotry ny Fanavaozana eto Madagasikara ny Filohan’ny Vaomieran’ny Vondrona Afrikanina. Nohamafisina ihany koa ny fahavononana hiara-hiasa amin’ny fanatanterahana ireo laharam-pahamehana napetraka, ho tombontsoan’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy.