πŸ—“οΈ 26 Aogositra 2026
πŸ“ Faritra Atsinanana
🀝 π…πˆπ‡π€πŽππ€ππ€ π“π€πŒπˆπβ€™ππ˜ π…πˆπ€π‘π€π‡π€πŒπŽππˆπŒ-ππˆπ‘π„ππ„ππ€ – π…π€π‘πˆπ“π‘π€ π€π“π’πˆππ€ππ€ππ€
➑Namaly ny antso avy amin’ny Fikambanan’ny Fiarahamonim-pirenena Malagasy ao amin’ny Faritra Atsinanana ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Atsinanana Rtoa Blandine Voizy sy ny ekipany, nandritra ny fihaonana natao .
➑Nandritra izany no nanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny asan’ny Vaomieran’ny Mpandrindra sy ny Vaomieran’ny Fampahafantarana, izay ahitana solontenan’ny Fikambanan’ny Fiarahamonim-pirenena Malagasy avy ao Antananarivo.
Nandray anjara tamin’ny dinika ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Atsinanana, ka nanazava ny fizotry ny Fikaonandoham-pirenena, izay iandraiketan’ny FFKM.
➑Nohamafisiny fa ireo dinika tanterahina eny ifotony dia natao hanangonana ny hetahetan’ny vahoaka, ny hevitra ary ny soso-kevitra izay hatolotra sy hoentina ao anatin’ny Fikaonandoham-pirenena.
➑Notsindriana ihany koa fa ny FFKM no manana ny fahefana feno amin’ny Fikaonandoham-pirenena, fa ny Fitaleavam-paritra misahana ny Fanavaozana kosa dia manana andraikitra mpanohana sy mpanampy amin’ny fanatanterahana ny dingana eny ifotony.
🎯 Tanjona: Hampiroborobo ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena sy ny fiarahamonim-pirenena amin’ny fananganana vina iombonana ho an’ny Fanavaozana an’i Madagasikara.
# MCR # Fanavaozana
# Fifanajana
# Fiarahamientana
# Fanolorantena