08 Oktobra 2026
📍 Kaominina Ambanivohitra Vinaninkarena – Distrikan’Antsirabe II, Faritra Vakinankaratra
🔴 𝐅𝐈𝐃𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐅𝐎𝐓𝐎𝐍𝐘 | 𝐕𝐈𝐍𝐀𝐍𝐈𝐍𝐊𝐀𝐑𝐄𝐍𝐀 – 𝐀𝐍𝐓𝐒𝐈𝐑𝐀𝐁𝐄 𝐈𝐈
📑Notanterahina tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Vinaninkarena ny fidinana ifotony notarihin’ny Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana Vakinankaratra Rtoa Rajaonarivony Tantely, niaraka tamin’ireo Lehiben’ny Sampan-draharaha misahana ny Fikaonandoha sy ny Fanavaozana.
🎯 Nifantoka tamin’ny fanentanana ny mponina momba ny Fikaonandoham-pirenena, izay tarihin’ny FFKM, ny fihaonana. Nohazavaina tamin’ny vahoaka fa sehatra ahafahan’ny olom-pirenena maneho hevitra, mampita ireo olana iainan’ny vahoaka eny ifotony ary manolotra soso-kevitra sy vahaolana ny Fikaonandoha-Pirenena.
Nampirisihina ihany koa ny tsirairay handray anjara am-pilaminana sy amim-pahatsorana, ho fanamafisana ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena amin’ny dingan’ny Fanavaozana.
👥 Natao nandritra izany koa ny fampahatsiahivana ireo mpiasam-panjakana momba ny adidy aman’andraikiny amin’ny maha-mpanompon’ny vahoaka azy, indrindra ny fanajana ny lalàna, ny fahitsiana, ny fahamendrehana, ny tsy fitanilana ary ny fametrahana ny tombontsoam-bahoaka ho laharam-pahamehana.
🤝 Nahafahana nanamafy ny fifandraisana teo amin’ny tompon’andraikitra sy ny vahoaka, nampitombo ny fahatakarana momba ny Fikaonandoham-pirenena ary nanamafy ny fahatsiarovan-tena amin’ny andraikitry ny tsirairay amin’ny Fanavaozana ny firenena izany.
➡️ Hitohy hatrany moa ny fanentanana eny ifotony, hanamafisina ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena ary ho raisina hatrany ireo olana sy soso-kevitra avy amin’ny vahoaka.
# MCR # Fanavaozana
# Fifanajana
# Fiarahamientana
# Fanolorantena