Tolagnaro | ๐Ÿฌ๐Ÿต ๐—ข๐—ธ๐˜๐—ผ๐—ฏ๐—ฟ๐—ฎ ๐Ÿฎ๐Ÿฌ๐Ÿฎ๐Ÿฒ
๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ ๐…๐€๐๐€๐•๐€๐Ž๐™๐€๐๐€ ๐ˆ๐…๐Ž๐“๐Ž๐๐˜ : ๐๐€๐๐„๐“๐‘๐€๐Š๐€ ๐€๐Œ๐ˆ๐’๐๐˜ ๐…๐Ž๐Œ๐๐€ ๐Ž๐…๐ˆ๐’๐ˆ๐€๐‹๐˜ ๐๐˜ ๐“๐€๐‹๐„๐Œ-๐๐€๐‘๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐€๐๐Žฬ‚๐’๐˜
๐ŸŽ‰ Nametraka tamin’ny fomba ofisialy an’Andriamatoa Livera Rabevazaha, Tale vaovaon’ny Fitaleavam-paritry ny Fanavaozana eto Anรดsy, ny Minisitra misahana ny Fanavaozana, Me Hanitra Razafimanantsoa.
๐Ÿ’ฌ Nanamafy ny Minisitra fa mitaky ny fandraisan’anjaran’ny rehetra ny Fanavaozana, indrindra amin’ny fanatanterahana ny Fikaonandoham-pirenena sy ny fametrahana fitantanana mangarahara ary tompon’andraikitra.
๐Ÿ—ฃ๏ธ ยซ Ny fanorenana firenena vaovao dia manomboka amin’ny fihaonana sy ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena. ยป
๐Ÿ—ณ๏ธ Miroso ihany koa ny fanavaozana ny sehatry ny fifidianana:
๐Ÿ”น Dinika politika notarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana
๐Ÿ”น Fametrahana ny fisoratana anarana biometrika
๐ŸŽฏ Tanjona: hisorohana ny hosoka sy hanamafisana ny fahatokisana ny fifidianana.
๐Ÿค Naneho ny fahavononany hanatanteraka ny andraikiny amim-pahitsiana, fahamarinana ary fanetren-tena ny Tale vaovao.
๐ŸŽฏ Ny Fitaleavam-paritra dia natao hanamafisana ny fandaharan’asa eny ifotony, hampiroborobo ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena ary hanamafy ny fitantanana mangarahara ho tombontsoan’ny vahoaka.
โœŠ Ny Fanavaozana, akaiky ny vahoaka.