๐…๐€๐Œ๐๐ˆ๐‘๐Ž๐๐Ž๐‘๐Ž๐๐Ž๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐…๐€๐Œ๐๐Ž๐‹๐„๐๐€: ๐๐„๐’๐€๐‹๐Ž๐‡๐˜, ๐•๐Ž๐Š๐€๐“๐‘๐˜ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐Š๐€๐‘๐Ž๐‡๐€๐๐€ ๐’๐˜ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐€๐‘๐€๐‡๐€-๐Œ๐ˆ๐€๐’๐€ ๐‡๐Ž ๐€๐'๐๐˜ ๐…๐€๐‡๐€๐‹๐„๐Ž๐•๐€๐๐“๐„๐๐€๐'๐ˆ ๐Œ๐€๐ƒ๐€๐†๐€๐’๐ˆ๐Š๐€๐‘๐€ ๐€๐‘๐€- ๐“๐’๐€๐Š๐€๐…๐Ž

๐‘ณ๐’‚๐’‘๐’‚๐’’๐’Š ๐‘ด๐’‚๐’‰๐’‚๐’›๐’๐’‚๐’“๐’Š๐’—๐’
[๐‘ญ๐’‚๐’‰๐’‚-1 ๐’”๐’†๐’‘๐’•๐’‚๐’Ž๐’ƒ๐’“๐’‚ 2026]
Notanterahina androany tetsy aminโ€™ny Hรดtel Colbert Antaninarenina ny lanonana ofisialy nanamarihana ny fanombohana ny fampiasana ny karazam-bary vaovao โ€œBESALOHYโ€, vokatra avy aminโ€™ny fiaraha-miasanโ€™ny FOFIFA sy ny JIRCAS (Japan International Research Center for Agricultural Sciences).
Nandritra ny lahateniny, ny Praiminisitra, Lehibenโ€™ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana, dia nanasongadina fa dingana lehibe eo aminโ€™ny fampiroboroboana ny fambolena eto aminโ€™ny firenena ny fahatongavanโ€™ity karazam-bary vaovao ity.
Nohamafisiny fa tsy vokatra ara-tsiansa fotsiny ny BESALOHY, fa vokatry ny ezaka iombonana taminโ€™ny alalanโ€™ny fikarohana sy ny fanavaozana, izay mitondra anjara biriky lehibe aminโ€™ny fanamafisana ny fahaleovantenanโ€™i Madagasikara eo aminโ€™ny sehatry ny sakafo sy ny fambolena.
Nambaranโ€™ny Praiminisitra koa fa manana anjara toerana lehibe eo aminโ€™ny fiainanโ€™ny vahoaka Malagasy ny vary, ka tsy maintsy tohizana hatrany ny fanatsarana ny vokatra sy ny kalitao aminโ€™ny alalanโ€™ny fikarohana ara-tsiansa, ny fampiasana teknolojia maoderina ary ny fanohanana ireo mpikaroka.
Nohamafisiny, araka izany, fa vonona ny Fanjakana hanohana sy hiaro ny voka-pikarohana, ary hanamora ny dingana hahafahanโ€™ireo mpikaroka Malagasy misitraka ireo mari-pankatoavana ilaina aminโ€™ny asa fikarohana ataony.
Ny BESALOHY dia vokatry ny teknika molekiolary aminโ€™ny fanatsarana karazam-bary, ary efa nandalo dingana maro taminโ€™ny fanombanana sy fitsirihana ara-teknika. Ahafahana mahazo vokatra hatraminโ€™ny 4 taonina isaky ny hektara izy io, manana tsingerim-piainana manodidina ny 3 volana, ary azo ampiasaina indray ho ambioka.
Mety aminโ€™ny toe-tany samihafa eto Madagasikara ity masomboly vaovao ity, ka antenaina fa hitondra fanatsarana maharitra eo aminโ€™ny famokarana vary sy ny fiainanโ€™ireo tantsaha Malagasy.
Nantitranterinโ€™ny Praiminisitra ihany koa ny tokony hampahafantarana bebe kokoa ny voka-pikarohana ataonโ€™ny FOFIFA sy ireo mpikaroka Malagasy, satria ny fampandrosoana ny fambolena dia mitaky fifandraisana akaiky eo aminโ€™ny siansa, ny teknolojia ary ny filร nโ€™ny tantsaha.
BESALOHY : dingana vaovao ho anโ€™ny fambolena maoderina sy ny fahaleovantenanโ€™i Madagasikara ara-tsakafo.
๐—ก๐˜† ๐—ฆ๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ๐˜€๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ