MCR
Ministรจre Chargรฉ de la Refondation
MCR
Ministรจre Chargรฉ de la Refondation
๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐๐๐๐๐ : ๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐โ๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐โ๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐๐๐๐๐
๐ณ๐๐๐๐’๐ ๐ด๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐
[๐ญ๐๐๐-08 ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ 2023]
Natao teto aminโny Primatiora androany ny fanaovan-tsonia fifanarahana fiaraha-miasa teo aminโny Primatiora, ny OniversitenโAntananarivo, ny IMATEP ary ny ENAM, ho fanamafisana ny fiaraha-mientana aminโny fandrafetana ny Politika Nasionaly momba ny Fampiasam-bolam-panjakana.
Tanjona ny hametrahana politika nasionaly izay hanana vina maharitra, fitoniana ary fototra ara-teknika, ka hifantoka aminโny fampiasam-bola tena mitondra vokatra sy fiantraikany aminโny fampandrosoana ary aminโny fiainanโny Malagasy. Anisanโny tanjona ihany koa ny fanatsarana ny fomba fanatanterahana ny fampiasam-bolam-panjakana mba hahazoana vokatra haingana kokoa sy maharitra.
Notsindriana manokana ny anjara toeranโireo manam-pahaizana sy ny tanora, aminโny alalanโny fiaraha-miasa maharitra aminโireo foibem-pampianarana, mba hampifandraisana bebe kokoa ny tontolonโny fianarana sy ny sehatry ny asa ary hampandraisana anjara ny fahaiza-manao eto an-toerana.
Manokatra fiantsoana fahalianana (appel ร manifestation dโintรฉrรชt) ho anโireo rehetra manana fahaizana, traikefa na tolo-kevitra momba ny fampiasam-bolam-panjakana ny Governemanta.
Misokatra ho anโny :
mpisehatra avy aminโny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ;
fiarahamonim-pirenena ;
mpiara-miombonโantoka aminโny fampandrosoana sy PTF ;
vondrona mpikaroka ;
manam-pahaizana eto an-toerana sy any ivelany ;
ary ireo Malagasy rehetra manana fahaizana sy tolo-kevitra azo ampiharina.
Satria politika nasionaly izany, ka tokony ho vokatry ny fahaiza-manao sy ny feonโny Malagasy maro.
๐ก๐ ๐ฆ๐ฒ๐ฟ๐ฎ๐๐ฒ๐ฟ๐ฎ