๐‘ณ๐’‚๐’‘๐’‚๐’’๐’Š ๐‘ด๐’‚๐’‰๐’‚๐’›๐’๐’‚๐’“๐’Š๐’—๐’
[๐‘ญ๐’‚๐’‰๐’‚-07 ๐’๐’Œ๐’•๐’๐’ƒ๐’“๐’‚ 2026]
Notanterahina androany ny fampivondronana ireo mpikirakira ny fampiasam-bolam-panjakana. Nanokatra ny atrikasa, tetsy Anosy, ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, RAJAONARISON Mamitiana, notronin’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Nandray anjara avokoa ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny avy amin’ny minisitera, manomboka amin’ny mpanao tombana ny filร na, ny mpanao drafitra, indrindra ireo mpikirakira ny tsenam-baro-panjakana (PRMP).
Hentitra ny Praiminisitra nilaza fa andrasana aorian’ity atrikasa ity ny fahitana ny olana, izay mampihisatra ny fampiasam-bolam-panjakana sy ny fahitana vahaolana maika, mba hahafahana mamita zato isan-jato (100%), ny fampiasana ny volam-panjakana, ho an’ity taona 2026 ity. Ka mba ho hita mivaingana amin’ny fiainan’ny vahoaka malagasy ny asa ataon’ny Governemanta.
Naraha-nijery, nandritra izao fampivondronana izao koa, ny vahaolana tsy hampitarazoka intsony ny fampiasam-bolam-panjakana amin’ny taona rehetra manaraka eo. ยซย Raha eo anivon’ny governemanta no vahaolana, dia anjaran’ny governemanta ny mamaha azy. Ho an’ny minisitera tsirairay kosa, raha misy zavatra tokony hovaina dia tanterahina eo no ho eoย ยป, hoy hatrany ny Praiminisitra.
๐—ก๐˜† ๐—ฆ๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ๐˜€๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ