MCR
Ministรจre Chargรฉ de la Refondation
MCR
Ministรจre Chargรฉ de la Refondation
๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐๐๐๐๐ : ๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐ ๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐โ๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐๐๐โ๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐-๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐-๐๐๐๐
๐ณ๐๐๐๐’๐ ๐ด๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐
[๐ญ๐๐๐-23 ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ 2026]
Notanterahina androany tao aminโny Novotel Antananarivo ny fihaonanโny Governemanta taminโireo Mpiara-miombonโantoka ara-teknika sy ara-bola (PTF), teo ambany fitarihanโny Praiminisitra, Lehibenโny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana.
Ity fihaonana ity dia tafiditra ao anatinโny fanavaozana ny fitantanana ny fampiasam-bolam-panjakana, indrindra ireo famatsiam-bola avy any ivelany, ka tanjona ny hirosoana aminโny fitantanana mirindra kokoa, mifototra aminโny laharam-pahamehanโny Governemanta sy ny vokatra andrasana eny ifotony.
Nandritra ny fihaonana dia naseho taminโireo mpiara-miombonโantoka ny tombana nohavaozina momba ireo famatsiam-bola avy any ivelany, ary nozaraina ihany koa ireo toromarika stratejika sy ara-pampiharana ho fanatsarana ny fitantanana ny fampiasam-bolam-panjakana. Nojerena manokana ireo sakana mbola mampiadana ny fanatanterahana ireo tetikasa lehibe, mba hahafahana manafaingana ny vokatra eny ifotony.
Nohamafisinโny Praiminisitra RAJAONARISON Mamitiana fa zava-dehibe ny fifampiresahana tsy tapaka eo aminโny Governemanta sy ireo Mpiara-miombonโantoka ara-teknika sy ara-bola, mba hampiorina ny fifankahazoana sy ny fifampitokisana eo aminโny roa tonta.
Tanjona ny hampiray zotra sy hampifanaraka ireo asa sy laharam-pahamehana, mba tsy hisy sakana hampiadana ny fanatanterahana ny tetikasa sy ny fampiasam-bola, fa hahafahana kosa manafaingana azy ireny sy mampitombo ny vokatra azo avy aminy.
Nambaranโny Lehibenโny Governemanta fa voaray avokoa ireo fanamarihana sy fanontaniana napetrakโireo mpiara-miombonโantoka. Nohamafisiny fa hanao ny ezaka rehetra ny Fanjakana aminโny famahana ireo olana sy fanatsarana ny fandrindrana, mba handeha haingana kokoa ny fampiasam-bolam-panjakana ary hiteraka tombontsoa mivaingana sy tsapanโny olom-pirenena eo aminโny fiainany andavanandro.
Araka izany, tsy tokony hijanona aminโny famatsiam-bola sy ny fanatanterahana tetikasa fotsiny ny ezaka atao, fa tokony hahatonga ireo fampiasam-bola ireo hisy fiantraikany mivantana aminโny fiainanโny vahoaka sy ny fampandrosoana ny firenena.
Anisanโny vokatra andrasana aminโity sehatra fifanakalozan-kevitra ity ny fanamafisana maharitra ny fifampiresahana sy ny fandrindrana eo aminโny Governemanta sy ireo PTF, ny fametrahana andraikitra iarahanโny roa tonta aminโny fanatsarana ny fitantanana ny fampiasam-bolam-panjakana, ary ny fiaraha-mientana hamahana ireo sakana manemotra ny fanatanterahana ireo tetikasa lehibe.
Ny fihaonana dia nokarakarainโny Primatiora, taminโny alalanโny Direction Gรฉnรฉrale des Investissements Publics (DGIP), ary nahitana ny fandraisanโanjaranโireo ministera voakasika sy ireo mpiara-miombonโantoka ara-teknika sy ara-bola eto Madagasikara, ahitana ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena sy ireo sampan-draharahanโny Firenena Mikambana.
๐ก๐ ๐ฆ๐ฒ๐ฟ๐ฎ๐๐ฒ๐ฟ๐ฎ