Notanterahina tao Morondava ny lanonana fametrahana tamin’ny fomba ofisialy an’Andriamatoa Ranaivo Roger, ho Talem-paritra misahana ny Fanavaozana ao Menabe.
Notarihin’Andriamatoa Andriatsima Onisoa, Mpandrindra Ankapobe eo anivon’ny Minisitera misahana ny Fanavaozana, niaraka tamin’Andriamatoa Randriamandimbisoa Felix, solontenan’ny Minisitra, ny lanonana.
Nanatrika ny lanonana ny tompon’andraiki-panjakana sy raiamandreny ara-drazana eto amin’ny Faritra: ny Lehiben’ny Faritra, ny Ben’ny Tanร na, ary ireo olom-boafidy sy tompon’andraikitra maro.