π…π€πŒπ„π“π‘π€π‡π€ππ€ π€πŒπˆπβ€™ππ˜ π…πŽπŒππ€ πŽπ…πˆπ’πˆπ€π‹π˜ 𝐍𝐘 π“π€π‹π„πŒ-ππ€π‘πˆπ“π‘π€ πŒπˆπ’π€π‡π€ππ€ 𝐍𝐘 π…π€ππ€π•π€πŽπ™π€ππ€
πŸ“… 23 Septambra 2026
πŸ“ Lapan’ny Faritra Matsiatra Ambony – Tsianolondroa, Fianarantsoa
Notontosaina ny 23 Septambra 2026 ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy an-dRamatoa Razanamahefa Marie Stella ho Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana ao Matsiatra Ambony.
πŸ‘₯ Tonga nanome voninahitra izany ireo tompon’andraiki-panjakana ambony avy amin’ny Faritra Matsiatra Ambony , ny Lehiben’ny Faritra , ny Lehiben’ny Fileovana , ny Ben’ny TanΓ nan’i Fianarantsoa, ireo lehiben’ny sampan-draharaham-panjakana sy ireo olo-manan-kaja ambony ao amin’ny Faritra
🀝 Nanotrona ny lanonana ihany koa ny delegasiona avy amin’ny Minisiteran’ny Fanavaozana foibe, notarihin’ny Tale Jeneraly misahana ny Tantsoroka Ara-paikady sy Ara-teknika, Atoa Rakotoson Laurent sy ireo mpiara-miasa aminy.
πŸ’¬ Nifantoka tamin’ny fiaraha-mientana, fiovam-pihetsika sy toe-tsaina, ary ny andraikitra iombonana amin’ny Fanavaozana ny hafatra nentin’ireo mpandaha-teny. Nambaran’ny Talem-paritra vaovao fa vonona hanatanteraka ny andraikiny izy ary misokatra amin’ny fiaraha-miasa ny Fitaleavam-paritra.
πŸ“Œ Notsiahivin’ny Tale Jeneraly ihany koa ireo asa efa natao amin’ny fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena, isan’izany ny famolavolana ny DONOR – Document National d’Orientation de la Refondation.
# MCR # Fanavaozana
# Fifanajana
# Fiarahamientana
# Fanolorantena