๐—”๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ผ๐˜† | ๐Ÿญ๐Ÿฌ ๐—ข๐—ธ๐˜๐—ผ๐—ฏ๐—ฟ๐—ฎ ๐Ÿฎ๐Ÿฌ๐Ÿฎ๐Ÿฒ
๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ ๐…๐€๐Œ๐„๐“๐‘๐€๐‡๐€๐๐€ ๐€๐Œ๐ˆ๐โ€™๐๐˜ ๐…๐Ž๐Œ๐๐€ ๐Ž๐…๐ˆ๐’๐ˆ๐€๐‹๐˜ ๐๐˜ ๐“๐€๐‹๐„๐Œ-๐๐€๐‘๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐Œ๐ˆ๐’๐€๐‡๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐…๐€๐๐€๐•๐€๐Ž๐™๐€๐๐€ ๐€๐๐ƒ๐‘๐Ž๐˜
๐ŸŽ‰ Notarihin’ny Minisitry ny Fanavaozana, Me Hanitra Razafimanantsoa, ny lanonana fametrahana ofisialy an’Andriamatoa ๐Œ๐ข๐ก๐š ๐‰๐š๐จ๐ง๐š๐ฌ๐ข๐ญ๐ž๐ซ๐š, ๐“๐š๐ฅ๐ž ๐ฏ๐š๐จ๐ฏ๐š๐จ๐ง’๐ง๐ฒ ๐…๐ข๐ญ๐š๐ฅ๐ž๐š๐ฏ๐š๐ฆ-๐ฉ๐š๐ซ๐ข๐ญ๐ซ๐ฒ ๐ง๐ฒ ๐…๐š๐ง๐š๐ฏ๐š๐จ๐ณ๐š๐ง๐š ๐ž๐ญ๐จ ๐€๐ง๐๐ซ๐จ๐ฒ.
๐Ÿ‘ฅ Nanotrona ny lanonana:
๐Ÿ”น Ny Lehiben’ny Faritra Androy, Dr Djiby Firavoa
๐Ÿ”น Ny Prรฉfet-n’Ambovombe Androy
๐Ÿ”น Ny solontenan’ny Ben’ny Tanร nan’Ambovombe
๐Ÿ”น Ireo talem-paritra sy tompon’andraikitra sivily sy miaramila.
๐Ÿค Tanjon’izao fametrahana izao ny hampifanakaiky ny Fitondram-panjakana sy ny olom-pirenena, mba hahafahan’ny vahoaka:
๐Ÿ”น Mampita ny hetahetany
๐Ÿ”น Mandray anjara amin’ny fanapahan-kevitra
๐Ÿ”น Mahazo tolotra ara-panjakana mifanaraka amin’ny filร ny.
๐ŸŽฏ Tanjona ihany koa ny hampipaka ny Fanavaozana amin’ny fiainan’ny tsirairay, amin’ny alalan’ny fitantanana mihaino ny vahoaka, mandray andraikitra ary mamaly ny hetahetan’ny olom-pirenena.
โœŠ Ny Fanavaozana eny ifotony dia mametraka ny olom-pirenena ho ivon’ny asa sy ny fanapahan-kevitra.