π…π€πŒπ„π“π‘π€π‡π€ππ€ π€πŒπˆπβ€™ππ˜ π…πŽπŒππ€ πŽπ…πˆπ’πˆπ€π‹π˜ 𝐍𝐘 π“π€π‹π„πŒ-ππ€π‘πˆπ“π‘π€ πŒπˆπ’π€π‡π€ππ€ 𝐍𝐘 π…π€ππ€π•π€πŽπ™π€ππ€ π€πŽ π•π€π“πŽπ•π€π•π˜

Notanterahina tao Mananjary ny 28 Septambra 2026 ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy an’Andriamatoa Fridolin Caleb, ho Talem-paritra misahana ny Fanavaozana ao Vatovavy.
Β 
Nanome voninahitra ny fotoana ny Mpandrindra Ankapobe sy ny Mpanolotsaina Teknika, niaraka tamin’ireo delegasiona avy amin’ny Minisitera.
Β 
Nanatrika ny fotoana ny Sekretera Jeneralin’ny Faritra Vatovavy, ny solontenan’ny Lehiben’ny Faritra, ny Ben’ny TanΓ nan’i Mananjary, ireo tompon’andraikim-panjakana ambony ao min’ny Faritra, ny FFKM ary ireo Mpanjaka, izay tonga nanatrika sy nanome tsodrano araka ny fomba amam-panao ao an-toerana.
Β 
Nisolo tena ny Minisitra Andriamatoa Andriatsima Onisoa, Mpandrindra Ankapobe eo anivon’ny Minisitera. Nambarany fa anisan’ireo iraka iandraiketan’ny MCR ny fanomezana tantsoroka ara-kevitra sy ara-teknika amin’ny Fikaonandoham-pirenena.
Notsindriany manokana fa manomboka amin’ny fihainoana ny hevitry ny olom-pirenena ny fanorenana Firenena, ka miantoka ny tantsoroka ara-kevitra sy ara-teknika amin’izany dingana izany ny MCR.
Β 
Nohamafisiny ihany koa fa zava-dehibe ny fihainoana ny feon’ny vahoaka sy ny fampandraisana anjara azy amin’ny dingana Fanavaozana, ho fanorenana Fanjakana manana ny fiandrianany , mandray andraikitra ary mamaly ny filΓ n’ny vahoaka.