๐…๐€๐Œ๐„๐“๐‘๐€๐‡๐€๐๐€ ๐€๐Œ๐ˆ๐โ€™๐๐˜ ๐…๐Ž๐Œ๐๐€ ๐Ž๐…๐ˆ๐’๐ˆ๐€๐‹๐˜ ๐๐˜ ๐“๐€๐‹๐„๐Œ-๐๐€๐‘๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐Œ๐ˆ๐’๐€๐‡๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐…๐€๐๐€๐•๐€๐Ž๐™๐€๐๐€ ๐€๐Ž ๐’๐€๐•๐€

Notanterahina tao Sambava ny 28 Septambra 2026 ny lanonana fametrahana aminโ€™ny fomba ofisialy anโ€™Atoa Randrianasolo Eliahevitra, ho Talem-paritra misahana ny Fanavaozana ao SAVA.
ย 
Nanome voninahitra ny lanonana ireo tomponโ€™andraiki-panjakana sy solontena isan-tsokajiny ao an-toerana, anisanโ€™izany ny Lehibenโ€™ny Faritra, ny Lehibenโ€™ny Fileovana ary ny Benโ€™ny Tanร na Lefitra ao Sambava. Naneho ny fahavononany hiara-hiasa aminโ€™ny Talem-paritra vaovao izy ireo aminโ€™ny fanatanterahana ireo asa mifandraika aminโ€™ny Fanavaozana.
ย 
Nisolo tena ny Minisitra misahana ny Fanavaozana ny Tale Jeneraly misahana ny Fikaonandoha, Atoa Rahajary Tsialoninarivo.
Nambarany nandritra ny lahateniny fa tsy vitanโ€™olona na vondrona iray irery ny Fanavaozana, fa mitaky fiaraha-mientanโ€™ny Fanjakana, ny mpandraharaha ary ny vahoaka.
ย 
Notsindriany ihany koa ny andraikitry ny Minisitera aminโ€™ny fanomezana tantsoroka aminโ€™ny fanatanterahana ny Fikaonandoham-pirenena, izay tarihinโ€™ny FFKM, ary koa ireo asa maro hafa iantsorohanโ€™ny MCR.
ย 
Anisanโ€™izany ny fananganana ny Plateforme des Auditeurs Ministรฉriels (PAM), izay natao hanombanana ireo fanatsarana ilainโ€™ny Fanavaozana sy hanaraha-maso ny fanatanterahana izany. Eo ihany koa ny Cellules de Refondation Ministรฉrielles (CRM), izay hanohana sy hitarika ny fanatanterahana ireo lahasa voafaritra ho fanatsarana ny asanโ€™ireo Minisitera.
ย 
Noderaina manokana ihany koa i Sambava sy ny Faritra SAVA noho ny fahadiovanโ€™ny tanร na sy ny fahadiovam-po hita taratra aminโ€™ny fifandraisana aminโ€™ny mponina.
๐Ÿ“‹ Nandritra ny fitsidihana ireo distrika dia voaray ihany koa hoy izy ireo olana iombonanโ€™ny mponina, ka anisanโ€™izany ny fihenanโ€™ny vidinโ€™ny lavanila, ny ady tany, ny fanimbana ny tontolo iainana ary ny tsy fahampianโ€™ny fizaram-baovao.
ย 
Nampaherezina ihany koa ny vahoakanโ€™i SAVA mba ho sahy hijoro aminโ€™izay tokony hovaina sy havaozina. Ny Fanavaozana dia miainga aminโ€™ny tsirairay, mitaky fahatsapantena sy fahasahiana.
ย 
โ€œTsy osa isika. Tsy mahantra isika. Tompony isika fa tsy mpindrana ity firenena ity.โ€
ย 
Ho anโ€™ny Talem-paritra vaovao, Atoa Randrianasolo Eliahevitra, dia naneho fankasitrahana noho ny fitokisana napetraka taminy ary nanambara ny fahavononany hanatanteraka amim-pahamatorana ny andraikitra nankinina aminy, ho fanohanana ny ezaka fanatanterahana ny Fanavaozana ao aminโ€™ny Faritra SAVA