MCR
Ministรจre Chargรฉ de la Refondation
MCR
Ministรจre Chargรฉ de la Refondation
๐
๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐
๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐’๐๐ ๐๐๐/๐
๐๐๐
๐ณ๐๐๐๐’๐ ๐ด๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐
[๐ญ๐๐๐-30 ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ 2026]
ย ยป Fahendrena no ilaintsika eto amin’ny firenena ary indrindra indrindra fifankatiavanaย ยป hoy ny Filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely RANDRIANIRINA Michael, raha nitodika manokana tamin’ireo Tanora ao amin’ny Sampana Tanora Kristianina- STK/FJKM, ny tenany. Nomena anjara fitenenana ny Filohan’ny Fanavaozana, nandritra ny famaranana ny Fihaonambe nasionalin’ny STK faha-13, tany Nosy Bรฉ androany tao amin’ny kianja Dhar e salam.
Nanteriny fa ny Tanora no ho avin’ny fianakaviany sy ny Fiangonana sady ho avin’ny firenena ihany koa. Hafatra napetrany ny hialana amin’ny ratsy nahazatra raha te-hampandroso ny firenena. Navoitrany manokana amin’izany ratsy izany ny Kolikoly.
Ho fanohanana ny STK dia nanolotra vola 40 tapitrisa ariary ny Filohan’ny Fanavaozana, ho an’ny mpikarakara ny Fihaonambe, ho solon-tsakafon’ireo Tanora ary hividianana solika ho an’ny fitaterana ireo mpandray anjara. Vola 36 tapitrisa ariary kosa no natolotry ny PRRM hanatanterahana Ilay tetikasan’ny STK.
Anisan’ireo solotenam-panjakana nanotrona izao fotoam-bavaka lehibe, tany Nosy Bรฉ, izao koa ny Praiminisitra, RAJAONARISON Mamitiana. Izy izay mbola ao anatin’ny STK sy mandray anjara mavitrika amin’izany.
Tsiahivina fa Lohahevitra nanompanana ity FIHAONAMBE nasionalin’ny STK faha-13 ity ny hoe: ย ยป S.T.K. voafidin’i Kristy, miasa amin’ny faharetana, mamokatra tsara.ย ยป ( Jao 15:16 )
๐ก๐ ๐ฆ๐ฒ๐ฟ๐ฎ๐๐ฒ๐ฟ๐ฎ