MCR
Ministรจre Chargรฉ de la Refondation
MCR
Ministรจre Chargรฉ de la Refondation
๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐๐๐ : ๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐ ๐๐๐๐๐โ๐๐ ๐ ๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐โ๐๐ ๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐
๐ณ๐๐๐๐’๐ ๐ด๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐
[๐ญ๐๐๐-05 ๐๐๐๐๐๐๐ 2026]
Ny Praiminisitra, Lehibenโny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana, no nanokatra taminโny fomba ofisialy androany, tetsy Anosisoa Ambohimanarina Antananarivo, ny fanentanana sy fanaovam-baksiny hiadiana aminโny lefakozatra sy ny kitrotro, miaraka aminโny fizarana Vitamine A ho anโny ankizy.
Nandritra ny lanonana dia samy nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny fanaovam-baksiny, ny fisorohana ny aretina ary ny fiarovana ny fahasalamanโny zaza ireo tomponโandraikim-panjakana sy ireo mpiara-miombonโantoka, anisanโizany ny UNICEF, ny OMS ary ny Firenena Amerikana.
Nohamafisinโny Praiminisitra fa manana andraikitra lehibe aminโny fiarovana ny ainโny Malagasy ny mpiasanโny fahasalamana. Nambarany fa ยซ miaramila miaro ny Malagasy ihany koa ny mpiasanโny fahasalamana ยป, noho ny asa ataonโizy ireo eny ifotony aminโny fisorohana ny aretina, ny fanaovam-baksiny ary ny fandraisana an-tanana ny fahasalamanโny mponina.
Naneho fankasitrahana ireo mpiara-miombonโantoka manohana hatrany ny sehatry ny fahasalamana ihany koa ny Praiminisitra. Nambarany fa hampitomboina ny ezaka sy ny loharanom-bola atokana ho anโny fahasalamam-bahoaka, ho fanamafisana ny fisorohana sy ho fanatsarana hatrany ny tolotra ara-pahasalamana ho anโny vahoaka.
Ny hetsika tahaka izao dia maneho asa mivaingana sy akaiky ny vahoaka, izay miaro mivantana ny fahasalamana sy ny tombontsoanโny Malagasy.
Tao anatinโity fotoana ity ihany koa no nanaovana ny fanolorana fiara fitondrana marary, ho fanamafisana ny fitaovana enti-miasa sy ny fahafaha-mandray an-tanana ireo marary eny anivonโny tobim-pahasalamana.
Nisy ihany koa ny fanolorana amboara sy mari-pankasitrahana ho anโireo Fokontany mendrika indrindra aminโny fanaovam-baksiny, ireo CSB naneho fahavitrihana sy nahavita ezaka, ary ireo renim-pianakaviana mendrika, ho fankasitrahana ny fandraisanโizy ireo anjara aminโny fiarovana ny fahasalamanโny ankizy.
Ity fanentanana ity dia mifantoka aminโny fanaovam-baksiny hiadiana aminโny lefakozatra sy ny kitrotro, miaraka aminโny fizarana Vitamine A, ho fanamafisana ny fisorohana ny aretina sy ny fiarovana ny fahasalamanโny ankizy Malagasy.
Fiarovana ny zaza, fiarovana ny hoavinโny Firenena.
๐ก๐ ๐ฆ๐ฒ๐ฟ๐ฎ๐๐ฒ๐ฟ๐ฎ