๐Ÿ—“16 Septambra 2026
๐Ÿ“Antaninarenina
๐€๐ ๐จ๐ซ๐š ๐‚๐ข๐ญ๐จ๐ฒ๐ž๐ง๐ง๐ž ๐๐ž๐ฌ ๐Œ๐žฬ๐๐ข๐š๐ฌ : ๐™๐จ ๐Ÿ๐จ๐ญ๐จ๐ญ๐ซ๐ฒ ๐ง๐ฒ ๐จ๐ฅ๐จ๐ฆ-๐ฉ๐ข๐ซ๐ž๐ง๐ž๐ง๐š ๐ง๐ฒ ๐ก๐š๐ก๐š๐ณ๐จ๐š๐ง๐š ๐ฏ๐š๐จ๐ฏ๐š๐จ ๐ฆ๐š๐ซ๐ข๐ง๐š ๐ฌ๐ฒ ๐ฏ๐จ๐š๐ฆ๐š๐ซ๐ข๐ง๐š
๐Ÿ“ปNa dia mbola ny onjam-peo aza noloharanom-baovao tena henoinโ€™ny olom-pirenena eto Madagasikara araka ny fanadihadiana, tsy azo ihodivirana ny fihanaky ny vaovao amin’ny tambajotra-tserasera,indrindra ho an’ ireo mponina ety an-drenivohitra.
โ‰๏ธยซย Ahoana ร ry no hananan’ny olom-pirenena fahatokisana ny haino vaky jery manoloana ny fipariahan’ny vaovao diso, ny tsaho, ny vaovao tsy voamarina any amin’ny tambajotra seraseraย ยป. Io no anisan’ny lohahevitra nifampiresahana nandritra ny ny hetsika โ€œAgora Citoyenne des Mรฉdiasโ€ nokarakarain’ny ONG Malina teny Antaninarenina androany.
๐Ÿ”ดFotoana iray nahafahana nifanakalo hevitra, nizarana traikefa momba ny haino vaky jery ary indrindra nandraisanโ€™ny olom-pirenena tsotra anjara.
๐Ÿ”ฅZo fototra ho an’ny olom-pirenena ny fahazoana vaovao. Noho izany tokony hanana zo ihany koa ny mpampahalala vaovao hanokafana ny loharanom-baovao ilaina rehetra.
๐Ÿ‘Anisanโ€™ny dingana lehibe vita tao anatinโ€™izao fitondrana Fanavaozana izao ny nandaniana teo anivonโ€™ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volana desambra2025 ny lalร na mifehy ny Fahazoanโ€™ny daholobe vaovao na ny โ€œLoi sur lโ€™accรจs ร  lโ€™Information ร  caractรจre Publicโ€.
๐Ÿ‘‰Ity lalร na ity dia natao hampitomboana ny mangarahara amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ho fitaovana lehibe iray hiadiana amin’ny kolikoly. Manome zo ny olom-pirenena tsirairay sy ny mpanao gazety handray sy hifandray amin’ireo vaovao sy ita tazonin’ny fanjakana na ny rantsana miankina aminy.
๐Ÿ‘ฅNanatrika ity hetsika ity ny talenโ€™ny Serasera sy ireo mpiara-miasa eo anivonโ€™ny Fitaleavanโ€™ny Dinam-pitondrantena sy Tandrohasina eo anivonโ€™ny Minisitera misahana ny Fanavaozana.