𝐀𝐝𝐲 πšπ¦π’π§β€™π§π² 𝐟𝐚𝐦𝐨𝐭𝐬𝐒𝐚𝐦-𝐛𝐨π₯𝐚 : 𝐟𝐞𝐩𝐞𝐭𝐫𝐚 πŸπŸ– 𝐚𝐦𝐒𝐧'𝐒𝐫𝐞𝐨 πŸ’πŸŽ 𝐭𝐚𝐀𝐒𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐟𝐞𝐧𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐒𝐫𝐚𝐒𝐬𝐚𝐦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐧𝐨 𝐞𝐟𝐚 𝐯𝐨𝐚𝐑𝐚𝐣𝐚 𝐬𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐑𝐒𝐧'𝐒 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐒𝐀𝐚𝐫𝐚

πŸ“… 07 Aogositra 2026
πŸ“ SAMIFIN Ambohijanaka
πŸ›‘οΈ 𝐀𝐝𝐲 πšπ¦π’π§β€™π§π² 𝐟𝐚𝐦𝐨𝐭𝐬𝐒𝐚𝐦-𝐛𝐨π₯𝐚 : 𝐟𝐞𝐩𝐞𝐭𝐫𝐚 πŸπŸ– 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐒𝐫𝐞𝐨 πŸ’πŸŽ 𝐭𝐚𝐀𝐒𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐞𝐧𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐒𝐫𝐚𝐒𝐬𝐚𝐦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐧𝐨 𝐞𝐟𝐚 𝐯𝐨𝐚𝐑𝐚𝐣𝐚 𝐬𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐑𝐒𝐧’𝐒 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐒𝐀𝐚𝐫𝐚
βœ…Notanterahin’ny SAMIFIN androany ny andiany faha-3 amin’ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fisorohana ny famotsiam-bola (JournΓ©e de PrΓ©vention du Blanchiment de Capitaux – JPBC), izay nanangona mpisehatra avy amin’ny fanjakana, ny fikarohana ara-tsiansa, ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena ary ny sehatry ny teknolojia.
Nanotrona ny hetsika ny 𝐌𝐒𝐧𝐒𝐬𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐒𝐬𝐚𝐑𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 π…πšπ§πšπ―πšπ¨π³πšπ§πš, 𝐌𝐞 π‡πšπ§π’π­π«πš π‘π€π™π€π…πˆπŒπ€ππ€ππ“π’πŽπ€ satria ny ady amin’ny famotsiam-bola sy ny ady amin’ny kolikoly dia isan’ireo iraka nampanaovina ny Minisitera misahana ny Fanavaozana.
Nanatrika ity fotoana ity ihany koa ny 𝐌𝐒𝐧𝐒𝐬𝐒𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 π…πšπ¦π©πšπ§ππ«π¨π¬π¨πšπ§πš 𝐧𝐲 π‡πšπ’π­πšπ¨ π€π«πš-𝐀𝐚𝐣𝐲 𝐌𝐒𝐫𝐒𝐧𝐝𝐫𝐚, 𝐧𝐲 𝐏𝐚𝐨𝐬𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐧𝐲 π…π’πŸπšπ§ππ«πšπ’π¬πšπ§-𝐝𝐚𝐯𝐒𝐭𝐫𝐚, π€π­π¨πš 𝐌𝐚𝐑𝐞𝐟𝐚 π€π§ππ«π’πšπ¦πšπ¦π©π’πšππšπ§πš, niaraka tamin’ny 𝐦𝐚𝐬𝐨𝐒𝐯𝐨𝐑𝐨𝐧’𝐧𝐲 π•π¨π§ππ«π¨π§πš π„π¨π«π¨π©πžπšπ§π’π§πš, π€π­π¨πš 𝐑𝐨π₯𝐚𝐧𝐝 πŠπ¨π›π’πš, ny Tale Jeneralin’ny SAMIFIN sy ny ARAI, ny talen’ny kabinetran’ny Praiminisitra, ary ny filoha lefitry ny Oniversiten’Antananarivo.
🎯 Nifantohana ny famporisihana ireo mpikaroka sy mpianatra handray anjara amin’ny famolavolana vahaolana sy fanohanana ny fanapahan-kevitra ary ny politikam-panjakana amin’ny ady amin’ny famotsiam-bola.
βœ…Natomboka tamin’izany ihany koa ny antso ho amin’ny fandefasana asa fikarohana (Appel Γ  communications), manaraka ny lohahevitra : Β« πŒπšπ§π¨π¦π›π¨π€πš 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 𝐚𝐝𝐲 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐨𝐭𝐬𝐒𝐚𝐦-𝐛𝐨π₯𝐚 𝐀𝐚 𝐑𝐚𝐭𝐫𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐞𝐫𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐳𝐨 𝐭𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 πŸπ¨π¦π›πš 𝐭𝐬𝐲 𝐚𝐫𝐚-𝐝𝐚π₯πšΜ€π§πš Β».
βœ… Ho an’ny mpikaroka, mpianatra Doctorat/Master, matihanina sy manam-pahaizana
πŸ“© Fe-potoana: 07 Oktobra 2026 (fintin’ny asa/abstract)
πŸ—“οΈ Fanolorana mandritra ny JPBC, andiany fahatelo : 28–30 Oktobra 2026
🌍 Ankoatr’izay dia marihina fa i Madagasikara dia mpikambana ao amin’ny ESAAMLG (Eastern and Southern Africa Anti-Money Laundering Group), rafitra isam-paritra miandraikitra ny ady amin’ny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola ny asa fampihorohoroana.
πŸ“Š Voalaza tamin’izany fa 28 amin’ireo fepetra 40 takian’ny fenitra iraisam-pirenena no efa voahaja sy tanterahin’i Madagasikara β€” porofon’ny fanavaozana tsy tapaka ataon’ny firenena.
πŸ“– Natolotra ihany koa ny boky mirakitra ireo asa fikarohana natao nandritra ireo andiany teo aloha, maneho ny anjara birikin’ny fikarohana amin’ny fanohanana ny politika stratejikan’ny fanjakana.
πŸ’‘ Nivoitra tamin’ireo fandraisam-pitenenana nifandimby fa ny fikarohana no tetezana mampifandray ny fahalalana sy ny fampiharana ny politikam-panjakana amin’ny ady amin’ny famotsiam-bola.
Β