MCR
Ministère Chargé de la Refondation
MCR
Ministère Chargé de la Refondation
πππππ πππππππ-ππππ ππ ππβππ π ππππππππππ : Β« ππππ ππππππππππππππ ππβπ ππππππππππππ ππ πππππππ ππ π ππππππππππ Β» β πππππππππππππ
Nanokatra taminβny fomba ofisialy ny fanamarihana ny Andro Maneran-tany ho anβny Fizahantany, tao Mahajanga, ny Praiminisitra, Lehibenβny Governemanta ; fotoana izay nanamafisany fa manana ny harena sy ny tombony rehetra isika ahafahana manao ny fizahantany ho iray aminβireo fanoitra lehibe aminβny fampandrosoana ny firenena.
Β« Ampy hampandrosoana anβi Madagasikara ny fizahantany, raha jerena ny harena sy ny hakantonβny zavaboary ananantsika. Β»
Notsindrianβny Praiminisitra fa tsy sehatra mandeha irery ny fizahantany, fa mahakasika seha-pihariana maro ary afaka mampihetsika mivantana ny fitaterana, ny fotodrafitrasa, ny indostria, ny asa tanana, ny kolontsaina, ny angovo, ny tontolo iainana, ny varotra, ny fampiofanana ary ny famoronana asa.
Noho izany, hoy izy, dia ilaina ny fiaraha-mientanβny sehatra rehetra, na ny Fanjakana, na ny sehatra tsy miankina, na ireo matihanina sy mpiara-miombonβantoka, mba hahafahana mampiasa aminβny fomba feno ny hery anananβny fizahantany ho aminβny fampandrosoana.
Β« Mila miara-mirona isika. Izay manana hery sy traikefa dia manampy ny hafa. Ny fifanampiana sy ny fiaraha-mientana no ahafahantsika mampandroso ity sehatra ity. Β»
Tonga nanotrona izao fotoana izao, niaraka taminβny Praiminisitra sy ny Minisitry ny Fizahantany sy ny Asa-tanana, ireo mpikambana maro ao aminβny Governemanta, dia ny Minisitra misahana ny Fanavaozana, ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny sehatra tsy miankina, ny Minisitry ny Asa, ny Fampanananβasa ary ny Asam-panjakana, ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, ary ny Minisitra delege miadidy ny Zandarimariam-pirenena. Ny fisianβizy ireo dia maneho indrindra ny maha-sehatra marolafy ny fizahantany sy ny filΓ na fampifandraisana ireo politikam-panjakana samihafa aminβny fampiroboroboana azy.
NY NOMERIKA SY NY FAHARITAN-TSAINA ARTIFISIALY HO FANAVAOZANA NY FIZAHANTANY
Ny fanamarihana aminβity taona ity dia mitondra ny lohahevitra Β« Agenda numΓ©rique et intelligence artificielle pour repenser le tourisme Β», izay mametraka ny nomerika sy ny faharanitan-tsaina artifisialy ho isanβireo fitaovana vaovao afaka manova sy manatsara ny sehatry ny fizahantany.
Ho anβi Madagasikara, manana lanja manokana izany, satria ny teknolojia dia afaka manampy aminβny fampahafantarana ireo toerana fizahantany mbola tsy ampy fantatra, fanatsarana ny fahitana anβi Madagasikara eo aminβny sehatra iraisam-pirenena, fanamorana ny famandrihana sy ny fandraisana mpitsidika, ary fanomezana fahafahana bebe kokoa ho anβireo mpandraharaha madinika sy ireo faritra mbola tsy voakasiky ny fizahantany betsaka.
Nohamafisina kosa fa na tsy azo ialana intsony aza ny teknolojia sy ny faharanitan-tsaina artifisialy, dia tsy afaka mahasolo ny fahaiza-manaonβny Malagasy, ny kolontsaina, ny maha-izy antsika ary indrindra ny tsiky sy ny hafanam-po aminβny fandraisana vahiny izany.
Mifamatotra aminβizany ny fanatsarana ireo lalana sy fotodrafitrasa mankany aminβireo toerana fizahantany, ny fanitarana ny fifandraisana sy ny sidina, ary indrindra ny fampiofanana ireo mpisehatra rehetra mba hahafahanβizy ireo mampifanaraka ny tolotra aminβny fenitra sy ny fiovana entinβny teknolojia.
Notsiahivinβny Praiminisitra ihany koa fa tsy ireo vahiny avy any ivelany ihany no atao hoe mpizaha tany. Fizahantany ihany koa ny Malagasy mifampitsidika, mamantatra ireo faritra sy kolontsaina samihafa ary mankafy ny harena misy eto aminβny taniny. Antony iray tokony hanamafisana ny fizahantany anatiny izany.
Ny tanjona dia ny hahatonga ny fizahantany ho sehatra tena mamorona asa sy harena, mampandroso ny faritra, manome lanja ny kolontsaina sy ny asa-tanana ary miaro sy mampahafantatra ny harena voajanahary mampiavaka anβi Madagasikara.
Fiaraha-mientana, fampivoarana ny fahaiza-manao ary fanavaozana no antoka hahafahana manova ny harena ara-pizahantany anananβi Madagasikara ho tena hery mitondra fampandrosoana.
ππ² π¬ππ«ππ¬ππ«π