π€ππƒπ‘πŽπ˜ | π€π“π‘πˆπŠπ€π’π€ πŒπŽπŒππ€ 𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 π’π˜ 𝐍𝐘 π…π€πŒππ€ππ€ππ€ππ€ 𝐀𝐒𝐀

01 Septambra 2026
πŸ“ Ambovombe – Faritra Androy
πŸ”΅ π€ππƒπ‘πŽπ˜ | π€π“π‘πˆπŠπ€π’π€ πŒπŽπŒππ€ 𝐍𝐘 𝐀𝐒𝐀 π’π˜ 𝐍𝐘 π…π€πŒππ€ππ€ππ€ππ€ 𝐀𝐒𝐀
➑Tontosa tao Ambovombe ny alatsinainy 01 Septambra 2026 ny atrikasa nokarakarain’ny Fitaleavam-paritry ny Asam-panjakana sy ny Asa Androy, nifantoka tamin’ny olana sy ny vahaolana mahakasika ny asa sy ny fampananana asa.
➑Nandray anjara feno tamin’izany ny Fitaleavam-paritra Misahana ny Fanavaozana Androy sy ireo Fitaleavam-paritra hafa, ary koa ireo tanora sy vondrona tsy miankina voakasiky ny fampananana asa avy amin’ny Faritra AnΓ΄sy sy Androy.
➑Nandritra ny atrikasa dia nohazavaina ireo tetikasan’ny Fanjakana momba ny fanorenana fotodrafitrasa lehibe, anisan’izany ny dessalement d’eau de mer sy ny fanorenana ny seranam-piaramanidina, izay heverina fa hanokatra sehatra vaovao amin’ny famoronana asa. Naneho fahavononana sy fanantenana ireo tanora nanatrika izany.
βœ… Ireo hevitra sy soso-kevitra voaangona nandritra ity atrikasa ity dia hampiakarina any amin’ny sehatra ambonimbony kokoa, hoenti-mandrafitra ny Politika momba ny fampananana asa izay hivoaka avy amin’ny Finkaonandoham-pirenena.
# MCR # Fanavaozana
# Fifanajana
# Fiarahamientana
# Fanolorantena